<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>46</hymn_number>
<title>Mba tantanonao, ry Raiko! FF46</title>
<lyrics>[V1]
 Mba tantanonao, ry Raiko
 Izato làlan-janakao
 Ny mifidy toa tsy haiko
 Fa maniry indrindra Anao
 Hitanao ny adi-tsaina
 Mitambesatra ao an-doha
 'Zany tsikin'ny maraina
 Toa ela vao hifoha

[V2]
 Moa diso ny safidiko
 Raha mandroso ka mankao
 Sa 'ty làla-nofinidiko
 Dia tsy ilay voasoritrao
 Tanteraho ny faniriako
 O ! ry Tompo tena tia
 Fa ity zavatra iriko
 Masina amiko doria

[V3]
 Nefa, raha tsy izay no didy
 Namboarinao ho ahy
 Amboary ny safidy
 Sy ny ratrako am-panahy
 Atolorinao ny hery
 Hampijoro izay nikoa
 Ka sitranonao ny fery
 Sy ny ratrako ao am-po</lyrics>
</song>